<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>788</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Sakaizan'ny zaza,
 Kanefa Mpanjaka Malaza;
 Midera ny Anaranao re
 Izahay vory eto izao.
 // Ny saotra sy dera aman-
 daza
 no atolotray ho Anao //

[V2]
 Ry Jeso, malemy fanahy !
 Manatona Anao tsy manahy
 Ny zaza mivory atý izao,
 Ekeo mba ho mponina arý.
 // Ny saotra sy dera, ..sns. //

[V3]
 Fahiny Hianao tonga teto
 Nanala ny rofy sy sento,
 Avia mitahy anay re,
 Matoky Anao izahay.
 // Ny saotra sy dera, ..sns. //

[V4]
 Ry Jeso, Mpamonjy sy Zoky
 Izay ampy tokoa mba ho toky,
 Mifaly ny manana Anao izao,
 Arovy ka aza mandao.
 // Ny saotra sy dera, ..sns. //</lyrics>
<title>Ry Jeso Sakaizan'ny zaza FFPM788</title>
<author>J.R. Sweney</author>
</song>